Utop 2023 : andrasana ny fahatongavan’ilay kalaza, i Benoit Girondel

Raikitra ny fifaninanana “Utop 2023”! Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 14 mey 2023 izao, ny andiany faha-14 amin’ny hazakazaka Utop. Manodidina ny 2000 mahery ny isan’ny mpihazakazaka handray anjara ary andrasana ny fahatongavan’ilay mpihazakazaka vahiny, i Benoit Girondel, izay mpandresy indroa nisesy ny taona 2017 sy 2018. Ho tazana ihany koa ireo mpifaninana avy amin’ny fikambanana lehibe efa nandray anjara hatramin’izay. Ahitana hazakazaka miisa fito mandritra io telo andro io, raha ny fanazavan’ny Tale mpitantana ny Utop, Andriamanalina Rivo: misy ny Canal + Ultra Trail 126 km, MCB Semi Trail 70 km, Colas X-Trail 40 km, Orange T-Rail 35km, Radisson Blu 6Trail 22km, Arbiochem Group Fun Run 10 km, LFT Zaza Trail 4 km.
Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ity hazakazaka lavitr’ezaka ity i Alfred, mpanao gazetin’ny Accem sy i Manjato, mpanao gazetin’ny Midi Madagasikara tamin’ny trail izay natao tany Nosy Be, ny taona 2022 lasa teo.

Hanohana ny “Utop 2023” ny Orange
Notanterahina teny Anko­rondrano, omaly, ny fanaovan-tsonia teo amin’i Fréderic Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar sy Andria­manalina Rivo, filo­han’ny komity mpitantana ny Ultra Trail des Ô Plateaux (Utop). Araka ny fifanara­han’ny roa tonta, ny Orange Madagascar no hanohana ny Utop amin’ity andiany faha-14, taona 2023 ity, izay mitondra ny anarana hoe “Orange Madagascar”. Araka ny vaovao voaray, ezahina hamafisina ny fampiasan’ireo mpanao Trail ny fitaovana teknolojia, toy ny internet, ny vahaolana amin’ny resaka antso, ary ny hananan’izy ireo kaonty Orange Money, hanamorana ny fifandraisana mandritra ny fifaninanana.
Marihina fa natao ho fampivoarana ny resaka fizahantany sy ny fanatanjahantena eto amintsika izao fifanarahana izao.

Fitia (Mpianatra asa )

Partager sur: