Hiady ny ho lohalaharana ny tanjona ho an’ny taranja atletisma, mandritra ny lalaon’ny Nosy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique. Tsy vita mora anefa izany fa tsy maintsy manomana, hoy hatrany ny nambarany. Izany indrindra no hisaorany ny fitondram-panjakana manome fiofanana ny atleta toy izao. Ankoatra ireo nihazo an’i Chine, omaly, mbola hisy atleta 24 mianadahy hihazo an’i Dakar sy Kenya, amin’ izao fanomanana ny lalaon’ ny Nosy andiany faha-11 tanterahina eto Madagasikara izao. “Ireo mpihazakazaka eo amin’ny “vitesse” sy “haie” no nihazo an’i Chine ary ireo mpanao “fond” kosa no ho any Dakar sy Kenya”, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FMA hatrany. Mbola misy ireo hiatrika ny “meeting de l’Océan Indien” hotanterahina any La Réunion, ny 15 hatramin’ny 24 avrily izao, ka atleta 8 mianadahy no handeha. Raha atambatra, araka izany, 42 eo ny isan’ny atleta eo amin’ny taranja atletisma hiofana ivelan’i Madagasikara. Harahana akaiky kosa ireo mijanona eto an-toerana ary ezahana homena fanazaran-tena sahaza azy ireo sy avo lenta mitovy amin’ny azon’ireo atleta namany mankany ivelany.
Mi.Raz