Lasa omaly, ireo atleta andiany voalohany, hiatrika ny fiofanana any Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Afaka efa-bolana vao hiverina eto an-tanindrazana.
Atleta miisa 29 miaraka amin’ny mpanazatra 2, avy amin’ny taranja atletisma sy fibatana fonjambyireo nanainga omaly, haka traikefa any Chine. Niara-dalana amin’izy ireo ny solontenan’ny minisitera. Hanainga anio kosa, ny atleta 22 ambiny avy amin’ny taranja badminton sy tenisy ambony latabatra. Mandritra ny efa-bolana no hikotranana sy hanomanan-tena any, araka ny fantatra ary horaisin’ny governemanta sinoa an-tanana manontolo ny fikarakarana mandritra io fotoana io. Tetikasa vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana sinoa izao nahafahan’ny atleta malagasy misitraka fampiofanana any Chine izao, raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny fanatanjahantena eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa. “Tsy hay ny tsy hisaotra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny minisitra Tinoka Roberto, amin’ny fanaovan’izy ireo ho zava-dehibe ny tanora sy fanatanjahantena, amin’ny alalan’ izao fisitrahana fampiofanana any ivelany izao”, hoy ny nohamafisin-dRakotozafy Rosa. Aorian’ny fampiofanana homen’ny teknisiana sinoa, hisy ny fanomezana fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ireo atleta malagasy, hanohizana ny fanazaran-tena, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina eo anivon’ny masoivohon’i Chine, i Huo Wei.
Hiady mafy ireo atleta
Manoloana izao fihetsika mampihetsi-po nasehon’ny fanjakana azy ireo izao, nanome toky ny hiady mafy ireo atleta, tsy handraraka ilo mby an-doha ny fahalalana azo any Chine. Ny handrombaka medaly volamena no tanjona, hoy ny nambaran’ ireo atleta. Nisy ny fanolorana fitaovana ho azy ireo nialohan’ny fiaingana, nahitana tenisy, “sac de voyage” ary “sac à dos”. Mbola hisy atleta avy amin’ny taranja hafa ihany koa, hiofana any amin’ ny firenen-kafa.
Mi.Raz