Malagasy Rugby : mpitsara sivy nomena fiofanana

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fampiofanana ireo mpitsara ambony latabatra na « commissaire au match » miisa sivy, izay fito lahy sy roa vavy. Ny Word Rugby no mampiofana ireo mpitsara sivy mianadahy ireo. Araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, natao ham­pivoarana ny fomba fitsaran-dalao ity fiofanana ity. Amin’ny lalao “Super Coupe”, izay atao eny amin’ny Kianja Makis, ny alahady ho avy izao, no hanaovana ny andrana voalohany ho azy sivy miana­dahy.
Ankoatra izay, efa na­nomboka tamin’ny alarobia lasa teo kosa ny fitsapam-pahaizana ho an’ireo mpanazatra, miisa valo, izay haka ny mari-pahaizana ambaratonga faharoa na “niveau 2”. Ilay tomponandraikitra amin’ ny fiofanana ao amin’ny Africa Rugby, Charles Yapo no mampiofana sy manao ny tomban’ezak’izy ireo. Mari­hina fa raha mahazo an’io diplaoma io izy ireo, afaka manazatra klioba sangany eto Madagasikara, raha toa ka ny diplaoma “niveau 3” no takina raha hanazatra ekipam-pirenena.
Ankoatra izay, misy ny fitsidihana ny kianja sy ny fanaraha-maso ny asan’ny Malagasy Rugby, izay ataon’ ny Word Rugby, eto amin­tsika, eo koa ny fijerena ny fizotran’ny fifaninanana eto Madagasikara. Tsiahivina fa mialohan’ny lalao “Super Coupe”, hisy ny fivoriana ara-teknika izay ataon’ny Malagasy Rugby, ny asabotsy ho avy izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: