PSG sy Bayern : Gidragidra ny lalao miverina

Ho sarotra tanteraka ho an’ny Paris Saint Germain, klioba frantsay ny lalao miverina amin’ny fifaninanana any Eoropa “Ligue des Champions”, taona 2023. Lavon’ny Bayern Munchen, klioba alemà, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo ny talata lasa teo. Fihaonana izay natao tao amin’ny kianjan’ny Parc de Princes any Frantsa. Mbola manana herijika hiakatra amin’ny lalao ampa­hefa-dalana nefa ny PSG. Amin’ny 8 marsa ho avy izao, hihaona eo amin’ny lalao mi­verina ny roa tonta, ao amin’ny kianjan’ny Allianz Arena.
Fandresena amin’ny elanelan’isa roa no ilain’ny PSG, raha te ho tafita amin’ny lalao ampahefa-dalana izy ireo. Afaka milalao tsara amin’io fihaonana io i Mbappé, lohalaharana PSG. Raha toa ka tsy mbola fantatra mazava ny an’i Mané, mpilalao Bayern. Araka ny filazan’ireo mpandinika matihanina amin’ny baolina kitra omaly, nampiova ny lalao tanteraka ny fi­diran’i Kylian Mbappé teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, porofon’izany ny baolina roa matiny, saingy nolavin’ny VAR izany. Tsy nahafampo azy ireo kosa i Messi sy i Neymar, mpilalao PSG, tsy hita taratra mihitsy ny fahaizan’izy mirahalahy ireto.
Araka ny siosion-dresaka, mety hifarana tanteraka ny fifanarahana eo amin’i Ney­mar sy ny PSG, ary efa mi­hozongozona tanteraka koa ny sezan’ny mpanazatra PSG, Christophe Galtier. Tsiahi­vina fa miisa fito izay ny fa­ha­resena azon’ny PSG tamin’ ity taona 2023 ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: