Filoha Rajoelina Andry: “Mendrika ny zava-bitan’ny mpilalao basikety malagasy”

Taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Barea, ny herinandro lasa teo, nahazo ny anjarany ihany koa, omaly, ny Ankoay lahy sy vavy.

Tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3 ny sokajy lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny vehivavy, ny taona 2022. Efa nandrombaka ny medaly volamena ihany koa, teo amin’ity taranja basikety 3×3 ity, ny mpilalao lehilahy, nandritra ny lalao afrikanina natao tany Maraoka, ny ta­o­na 2019. “Mendrika ny za­va- bitan’ny mpilalao basikety malagasy”, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny lahateniny, teny amin’ny Lapan’Ambohitsi­ro­hitra, omaly. Fotoana na­nomezany ny mari-boninahi-pirenena ho an’ireo ma­hery fo malagasy nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo. Izay miezaka, hoy izy, tsy maintsy ampiana sy tohanana. Notolorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national Mala­ga­sy” izy 8 mianadahy (Elly, Livio, Fiary, Arnol, Muriel, Sydie, Chine, Christiane), niaraka tamin’ireo mpanazatran’izy ireo. Nampiakarina ho “Commandeur de l’Ordre de mérite sportif” kosa izy 4 mirahalahy izay polisy sy miaramila. Nahazo ny «Commandeur de l’ordre de mérite de Madagascar», Rakotonirina Jean Paul, Kyné nikarakara ireo mpilalao ary «Chevalier de l’ordre de mérite de Madagas­car» ho an’ny ekipa teknika 8 mirahalahy, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Ankoatra ireo mari-boninahitra ireo, nahazo «prime spéciale» ihany koa ireo mpilalao sy ny mpanazatra azy ireo.
Nidera ny fitiavan’ny filoham-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena, ny tanora mpanao spaoro malagasy, ny filohan’ ny FMBB, Ramaroson Jean Michel. Zava-dehibe, hoy izy, ny fanohanana ataon’ny fitondram-panjakana.

Hanangana kianja eny ifotony
Novalian’ny filoham-pirenena teo noho eo, ny fangatahan’ny federasiona malagasy ny basikety, ny amin’ ny tokony hananana fotodrafitrasa eny ifotony, eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina. «Hiaraka hiasa
amin’ny federasiona ny fanjakana hanangana kianja basikety, hasiana avokoa eny anivon’ny kaominina», hoy ny nambaran’ny filoha Andry Rajoelina. Hisy mi­hi­tsy, hoy izy ny fanafarana fitaovana any ivelany hanafainganana ny asa. Ankoatra izay, homena fahafahana tsy misy fepetra hampiasa ny kianja basikety ao amin’ny kianja Barea manomboka izao ny federasiona malagasin’ny basikety. Ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatrehin’ ny ekipa malagasy eo amin’ ny 3×3 sy U19 lehilahy kosa, nampanantena ny filoha Andry Rajoelina fa handefa ireo mpilalao hanao lalao ara-pirahalahiana any ivelany, haka traikefa amin’ireo firenen-kafa.

Antony nandrisika azy hanao izao fihetsika izao, ny nahitany tao amin’ny fampitam-baovaon’ny FIBA fa laharana faha-4 eto Afrika i Madagasikara, eo amin’ny taranja basikety.

Mi.Raz

Partager sur: