Tangalamena ao Andilamena: tsy manaiky ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompania

Nilaza tsy hanaiky ny fanesorana ny kaomandin’ny kaompania ny zandarimariam-pirenena, ny fikambanan’ny Tangalamena ao Andilamena manoloana ny fihetsika ataon’ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana…

Nivoaka tao anatin’ny fanambarana nataon’ireo raiamandreny Tan­galamena ao amin’ny distrikan’ Andilamena ny tsy faneken’izy ireo ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena. “Tao anatin’ny telo taona nifanesy, nisy ny fandriampahalemana manerana ny distrikan’ Andila­mena noho ny asa sy ezaka na­taon’ny kaomandin’ny kaompania miaraka amin’ireo mpitandro filaminana eo ambany fibaikony”, hoy ireto Tangala­me­na ireto. No­hama­fisin’izy ireo fa ankasitrahan’ny vahoaka manerana ny distrikan’ Andi­lamena ny fisian’ny fandriampahalemana sy ny fandraisana andraikitry ny kaomandin’ny kaompania. Noho izany, tsy ankasitrahan’ireto Tangalamena ireto ary melohiny ny fihetsika manohintohina izany fandriampahalemana izany. Toy ny fankahalana noho ny fikatsahana tombon­tsoa manokana. “Avelao hiasa am-pilaminana ny mpitandro filaminana”, hoy izy ireo. Na­neho fankasitrahana ny kaomandin’ny kaompania sy ireo tomponandraikitry ny Fiaro­vam-pirenena, ny Jly Rakoto­nirina Richard sy ny Sekre­teram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé ny fikambanan’ny raiamandreny ao Andila­mena. Mi­andradra anareo mpitandro fi­laminana eo ambany fibaikoan’ny lehibe isan’ambaratonga mba hanao ny asanareo araka ny lalàna mba tsy hahavoahoso-potaka ny lehibe, araka ny fanazavan’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: