Marobe ireo tokantrano manary diky any anaty lakandrano eto Antananarivo. Miharihary izany eny Isotry sy Andranomanalina iny. Nijery ifotony ny DEAH. Hiditra amin’ny fanasaziana atsy ho atsy.
Nidina ifotony teny Andrefan’Ambohijanahary ny fitaleavana misahana ny rano fidiovana sy fahadiovana (DEAH) avy eo anivon’ny CUA ny faran’ny herinandro teo. Maro loatra ny fitarainana voaray mahakasika ny tsirambina sy fanahy iniana ataon’ny olona sasany ka izay no anton’ny fidinana ifotony hanamarinana izany.
Tokantrano maro no manary maloto any anaty lakandrano fampiasan’ny daholobe ka sady manelingelina ny manodidina ny fofona aterany no manentsina ny lakandrano iombonana ihany koa.
Hita nandritra ny fidinana ifotony fa mbola maro ireo mponina no tsy manana toeram-pivoahana ka manary ny diky mivantana any anaty lakandrano. Miteraka fahasorenana sy fanelingelenana ho an’ny mpiara-monina izany. Mandoto ny tanàna rahateo.
Nilaza ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny DEAH fa manodidina ny 8 eo ny isan’ireo fitarainana azon’izy ireo isan-kerinadro mahakasika izany fanariana maloto anaty lakan-drano izany.
Anisan’ny tena mampitaraina ny eny Isotry sy Andranomanalina, hatreny Andavamamba sy 67Ha iny. Manatanteraka fidinana matetika eny anivon’ny fokontany maro, araka izany, ny fitaleavana avy eo anivon’ny DEAH mba ho fanaraha-maso sy ho fanentanana ny mponina mahakasika ny fahadiovana. Eo ihany koa ny fampiharana ny fikoloam-pahasalamana.
Mbola tsy manasazy anefa izy ireo fa mbola manentana hatrany ny mponina mba hampiasa lavapiringa na makeny amin’ny WC public na hanorina ny azy manokana any an-tokantranony. Raha minia tsy manaraka ny fandaminana kosa anefa izy ireo dia mety hitarika hatrany amin’ny fandoavana lamandy 50 000 Ariary izany.
Tafiditra ao anatin’ny Vinan’Andriamatoa ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, ny hanampy ny isan’ireo fotodrafitrasa momba ny fahadiovana toy ny trano fivoahana sy trano fidiovana ary efa maro izy ireo no eo an-dalam-pahavitana ankehitriny.
Tatiana A