Meteo, BNGRC : hentitra amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza

Nivory maika ny foibe famantarana ny toetry ny andro sy ny BNGRC niaraka tamin’ny mpiara-miombon’ antoka nametraka ny paikady hanalefahana ny fiantraikan’ny loza amin’ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy, voalaza fa tena mahery vaika.
Nandray anjara feno koa tamin’ny alalan’ny dinika nampitain-davitra ireo tom­pon’andraikitra eny ifotony amin’ireo faritra vinavinaina ho voakasiky ny rivodoza.
Nodinihina tamin’izany ny momba ny filàna fototra amin’ny asa famonjena. Teo koa ny fametrahana olona mialoha avy eo amin’ny BNGRC sy CPC hanampy amin’ny fandrindrana ny asa . Fandefasana ireo fiarabe mi­tondra ireo filàna fototra, izay tsy maintsy ho ilaina any amin’ireo toerana vinavinaina hidiran’ilay rivodoza. Anisan’ izany i Mahanoro sy ny manodidina ary Mananjary sy manodidina.
Hisy ny fanentanana ny mponina rehetra amin’ireo toerana voafaritra mialoha amin’ny vinavina ireo hanaraka antsakany sy andavany ireo toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra mba ahafahana manamora ny asa famonjena sy asa fisorohana.
Hentitra ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fampanarahana ny fepetra ireo mponina mba tsy hisian’ny fahavoazana tafahoatra na famoizana ain’olona raha mbola azo sorohina dieny mialoha.

Tatiana A

Partager sur: