SSM – Sosialin’ny mpiasa : “Vahao ao anatin’ny iray volana ny olanay”

Nihaona teny Antsaha­manitra ireo mpiasa mivondrona ao amin’ny SSM (So­lidarité syndicale de Mada­gascar), afakomaly. Nandini­ka ny fitakiana ireo sosialin’ny mpiasa sy niarahaba tratry ny taona izy ireo, tamin’izany. Nitaky ny hisian’ny tombotsoa iraisana eo anivon’ny mpiasam-panjakana ihany koa. Manome iray volana ny fanjakana izy ireo hamahana ireo olana ireo. Tokony hampiakarina ny «indemnité de logement», ny handoavana ny fisodroan-dronono, ny «in­demnité de mission», hajanona ny fampidirana “robot” eny anivon’ny toeram-piasana sy ny maro hafa. “Tokony ho jerena sy vahana ireo olana ireo raha toa ka mijery ny sosialin’ny mpiasa tokoa ny fanjakana” hoy ny filohan’ny sendika, Ramanambola Heri­zo.
“Angatahanay ny ampiakarana ho 200.000 Ariary ny “indemnité de logement” izay 140.000 Ariary ankehitriny”, hoy ny filohan’ny sendikan’ny Sempifi (sendikan’ny mpiasan’ny Fitaterana) Ra­jaobelina Heriarivelo. “Efa nifanarahana teo anivon’ny sendika fa tsy mahavita afa- tsy hofan-trano io vola io”, hoy hatrany izy. Ankoatr’izay, nilaza izy fa tsy ampy ny vola 30.000 Ariary natokan’ny fanjakana ho an’ireo mpiasa handeha “mission”.

Hajanony ny fandaniana mihoampampana
“Avadiho any amin’ny sosialin’ny mpiasa avokoa ireo vola sy fandaniana diso tafahoatra atao amin’ireo mpiasa ambony eo anivon’ny andrim-panjakana maro sa­mihafa”, hoy hatrany ny filohan’ny sendika SSM. Nilaza izy ireo fa anisan’ny mampandroso ny firenena ireo vahoaka sy ny mpiasa ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonana tamin’ireo tom­pon’andraikitra maro talo­han’izao hetsika izao. Hatreto tsy nahitam-bahaolana sy valiny izany, araka ny fanazavana.
Hiroso amin’ny hetsika mafy kokoa izy ireo raha tsy misy vahaolana aroson’ny fanjakana ao antin’io fe-potoana io. Hitaomana ny zo­kiolona, ny mpiasa tsy miankina, ny mpiasam-panjakana, ary ny mpiasa tena. Ian­drasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: