Tselatra

Lavon’ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Ambohimanga, fokontany Antsahondra, Kaominina Ambohitompoina, Distrika Antanifotsy ny zoma 17 febroary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny fokontany ireto olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Nampandre avy hatrany ny zandary ireo fokonolona. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny zandary. Nirifatra ireo dahalo mirahalahy vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Nanapoaka basy ny zandary. Maty tamin’izany ireo dahalo roa lahy. Ankoatra ireo lavo, notanana vonjimaika any amin’ny zandary ireo roa lahy naman’ireto maty ireto.

Raim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy no maty ny zoma lasa teo rehefa avy nolatsaham-potaka tetsy Ampefiloha Ambodirano. Nandritra ireo koto-baratra nipoaka mafy no nahafaty azy mianaka. Tsy mbola nilatsaka ihany koa ny orana saingy efa nahafaty ity lehilahy ity sy ny zanany vavy.

Partager sur: