Ankeniheny Tanjombato: lehilahy mpivarotra maty voatsindrona antsy

Misesisesy ny loza eny Tanjombato. Lehilahy iray 24 taona no hita faty teny an-toerana, omaly maraina. Tokony ho tamin’ny 07 ora teo no nisy nahita teny amin’ny fokontany Ankeniheny ny vata-mangatsiakany. Nantsoina ny mpitandro filaminana sy ny dokotera nijery ny tranga . Nisokatra ny famotorana ny raharaha. Tsikaritra nandritra ny fizahana fa nisy nanindrona antsy teo amin’ny lamosiny sy ny feny havanana. Finday iray no voalaza fa very teny aminy. Tsy nisy banga kosa ireo fitafiana teny an-kodiny. Hatramin’izao tsy mbola voafaritra mazava ny antony nahatonga ny loza. “Olona tsy lavitr’ity raim-pianakaviana ity no namono nahafaty azy”, hoy ireo mpanao famotorana. Notohizany fa mety ho lonilony na fifamaliana na koa kakay no nitarika izao. Tsy azo ahilika ihany koa ny “règlement de compte” na koa ny resaka fanendahana. Mafana amin’ny tsy fandriam-pahalemana rahateo, hoy izy, eny Ankeniheny ka tsy azo lavina izany rehetra izany. Taorian’izay, nentina teny amin’ny HJRA ilay vata-mangatsiaka natao “autopsie” ary natolotra ny fianakaviany avy eo. Fantatra fa monina eny amin’ny manodidina an’i Tanjombato ihany ny fonenany. Tsiahivina fa ny alahady teo, ankizilahy iray 10 taona no hita faty tao anaty rano, teo Ankeniheny ihany. Nifatotra ny tongotra aman-tanany . Novonoina izy ka natsipy tao anaty rano raha ny filazan’ireo manodidina.

Tra-doza
Ramatoa iray koa no maty an-drano teny Ambaniala Itaosy omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo. Nikasa hamonjy ny trano fonenany izy no nilatsaka tampoka tao anaty rano.. Minitra vitsy taorian’izay vao nisy nahita , ka nentina natao vonjy aina teny amin’ny dokotera. Indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Manana areti-mitaiza ity ramatoa maty ity, ka mazàna mihetsika tampoka izany, hoy ny loharanom-baovao iray.

Henintsoa Hani

Partager sur: