Fito volana toarian’ny nanafarana entana, velon-taraina ireo mpandraharaha manana entana amina orinasa mpanafatra entana iray eto an-dRenivohitra, omaly. «Misy efa entana tamin’ny volana aogositra 2022 ireo entanay ireo kanefa tsy mbola azo hatramin’izao », hoy ny solontenan’ izy ireo. Olana, ny krizy vokatry ny tsy fisian’ny vola eo amin’ilay orinasa mpanafatra entana. “Efa niverina nanao ny asanay izahay fotoana vitsy taorian’ny nampiatoan’ny teo anivon’ny ladoany”, hoy ny tomponadraikitry ny varotra teo anivon’io orinasa mpanafatra entana io. Mitaky fotoana maharitra ny famoahana ireo kaontenera 14 misy ny entan’ ny mpanjifa ka antony mahatonga ny tarain’ireo tompon’ny entana. “Nam-pandoavina vola mihoatra ny tokony ho izy izahay kinanjo tsy tafavoaka hatramin’izao ny entanay ao Toamasina”, hoy hatrany ireo tompon’ny entana. Manome fe-potoana hatramin’ny herinandro hahatongavan’ireo entana araka izany ireto fikambanana mpandraharaha ireto. Hitory ilay orinasa mpanafatra entana avy any Sina kosa izy ireo, raha toa ka tsy misy vokatra. Etsy ankilany, nilaza ho manandrana namoaka kaontenera iray ilay orinasa mpanafatra entana ho an’ity herinandro ity.
Tsiferana R.