Fanovana minisitra: niova ny Angovo, ny Fitaterana, ny Asa vaventy

Anisan’ireo minisitra ne­sorina tamin’ny toerany amin’ izao fanendrena ho mpikambana ao anatin’ny governemanta izao, ny ao amin’ny An­govo sy ny akoranafo, ny Fita­terana sy ny famantarana ny toetry ny andro ary ny Asa vaventy. Nosoloina an-dRasa­moelina Andriamanampisoa, ho minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry. Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, sady tale jeneralin’ny orinasam-panjakana SPM ity minisitra vaovao ity.
Notendrena ho minisitry ny Fitaterana sy ny famanta­rana ny toetry ny andro Ramon­javelo Valèry, sekretera jeneralin’ny prezidansa (SGP) teo aloha, nisolo toerana an-dRan­jatoelina Rolland. Voafidy ho filohan’ny filankevi-pitantanana ny Antokon-draharaha misahana ny fiarovana amin’ ny fitaterana ana habakabaka aty Afrika (Asecna) ity farany, izay handray ny toerany vaovao ny 30 avrily 2023 ho avy izao.
Nesorina amin’ny toerany amin’ny maha minisitry ny Asa Vaventy azy kosa i Hatre­findrazana Jerry, nasolo azy ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah.

Njaka A.

Partager sur: