Nitohy tany Miarinarivo, Itasy indray ny fihaonan’ny birao foiben’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ireo mpikambana ao aminy. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa maika koa ny fifidianana eny anivon’ny kaominina.
“Taratry ny tsy fanomezan’ny fanjakana lanja ny eny ifotony ny tsy fanaovana fifidianana ben’ny Tanàna
sy mpanolotsaina amin’ity taona ity. Efa notakinay fa avoahy koa ny tetiandro amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. Tapitra rahateo ny fe-potoam-piasan’ izy ireo”, hoy izy. Nohitsiny ireo milaza fa tsy maika izany. Mazava ny nambarany fa tena fanaovana tsinontsinona ny eny ifotony ny tsy hanaovana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. Maika handrombaka fahefana fotsiny fa tsy vonona ny hijery ny vahaolana eny ifotony, araka ny nambarany.
Niompana amin’ny fampandrosoana miainga eny ifotony amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana ny famelabelarana sy adihevitra tamin’izany, ka nahitana solontena avokoa ireo kaominina miisa 14 mandrafitra ny distrikan’i Miarinarivo. Nanterin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa vina politikan’ny antoko ny fitsinjaram-pahefana, hany tokana ahafahana mampandroso sady andraisan’ny eny ifotony anjara. “Fomba fisainana sy fomba fitantanana ary iainana andavanandro ny fitsinjaram-pahefana. Mitaky andraikitra sy fahafahana manatanteraka avy amin’ ny tsirairay izany”, hoy ihany izy.
Tsy sarintsariny fotsiny ihany
Notsindriny fa tsy tokony ho sarintsariny fotsiny izany fitsinjaram-pahefana izany. Noraisiny ho ohatra fa efa manatanteraka izany ny faritra Itasy ary tokony ho lasa fitaratra noho ireo harena voajanahary na koa ny olombelona.
Etsy andaniny, maro ireo zanaky ny faritra manam-piniavana. Nahavita fianarana ambony sy manana ny fahaizana amin’ny lafiny asa. Manana mponina tanora koa ka tombony lehibe izany amin’ny fampiroboroboana ny fihariana sy ny toekarena.
Tsiahivina fa voaresaka sy niverimberina tamin’ny dinidinika ny fifanitsahana andraikitra eo amin’ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary koa ireo tsindry mihatra amin’ireo mpikambana MMM mitana andraikitra eny ifotony.
Synèse R.