Instat – sendikan’ny mpiasa: “Apetraho haingana ny tale jeneraly raikitra”

Niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Anosy ireo mpiasa eo anivon’ny Instat, omaly. Tsy misy tale jeneraly ny ity sampandraharaha ity hatramin’izao. “Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany ka tsy mihodina ara-dalàna ny asa”, hoy ny ny tale jeneralin’ny sendikan’ny mpiasa birao eo anivon’ny Instat, Andrianirina. “Takinay ny hametrahan’ny fanjakana faran’izay haingana ny tale jeneraly raikitra”, hoy ny filoha lefitry ny mpiasa raikitra eo anivon’ny Intstat, Rako­tonomenjanahary Jimmy.

Tsy mihodina ara-dalàna

Miteraka olana maro eo anivon’ny Instat sy fanatanterahana ny asa io fahamban­gana io, araka ny fanambarana. Vokany, tsy misy manao ny soniam-piaraha-miasa amin’ ireo teknisianina sy mpamatsy vola. Nohamafisin’izy ireo fa mamatsy sy mampihodina betsaka ny orinasa ireo. Ma­naraka, tsy afaka mamoaka ny antontanisa takin’ny olona mitady izany izy ireo hatra­min’izao. Ankoatra izay, tsy mbola manomboka ireo lahasa tsirairay, toy ny fanaovan-tsonian’ny PTA (Programme de Travail Annuel). “Amin’ izao fiandohan’ny taona izao ny fanaovan-tsonia izany”, hoy hatrany ireo mpiasa.

Tambin-karama
Mitaky ny handoavana ny karaman’ireo mpiasa izy ireo. Misy tsy nandray karama tao anatin’ny efa-bolana na roa volana ny mpiasa sasany, araka ny fanazavana hatrany. Marihina fa voaroaka tamin’ ny volana oktobra ireo mpiasa tsy nandray karama efa-bolana ireo. “Tokony haloan’ny fanjakana ny karaman’ny mpiasa mba hiatrehana ny rivodoza”, hoy hatrany izy ireo.
Miantso ny fitondram-panjakana: ny filohan’ny Re­poblika sy ny praiminisitra izy ireo mba hanendry haingana ny tale jeneraly raikitra. Satria miankina amin’izany ny fampandehanan-draharaha. “Ny fisian’ny tale jeneraly no ha­maha ny olana”, hoy ihany ny fanazavan’ireo mpiasa.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: