Ho fiarovana ny ain’ny mpianatra sy ny mpanabe manoloana ny fanafihan’ny rivodoza Freddy dia naato ny fampianarana ho an’ny distrika 10 ao amin’ny faritra Fitovinany sy Atsinanana.
Nanapa-kevitra ny tomponandraikitry ny fampianarana fa mitsahatra avokoa ny fampianarana rehetra manomboka anio hatramin’ny zoma izao any amin’ ny faritra Fitovinany sy Atsinanana. Voakasik’izany avokoa ny ambaratonga rehetra ao amin’ny distrika mandrafitra ireo faritra roa ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny ditrikan’i Manakara, Vohipeno, Ikongo, Toamasina I, Toamasina II, Brickaville, Mahanoro, Marolambo, Vatomandry ary Antanambao Manampotsy.
Mampihatra ny fiatoana avokoa na ny sekoly miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Tompon’andraikitra amin’ny loza mety hitranga ireo sekoly minia mandika izany, araka ny fanambarana.
Marihina fa efa nanome alalana ny Dren sy ny Cisco ny minisiteran’ny Fanabea-zam-pirenena amin’ny fampitsaharana ny fampianarana araka ny toetry ny andro misy any an-toerana raha ahina hitera-doza ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra izany.
Ho an’ny faritra Atsinanana, nivory momba ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny rivodoza Freddy ny komitin’ny GRC miaraka amin’ny OMC Atsinanana. Tsy azo ampiasaina ifamezivezena amin’ny fitaterana intsony ny Lakandranon’i Pangalana sy ny ranomasina, manomboka anio.
Anio alina, ferana amin’ny 12 ora ny fe-potoana fiaingana farany ho an’ny zotra amin’ny RN11A. Voakasik’izany ny mihazo an’i Mahanoro sy Vatomandry ary Brickaville. Andrasana kosa ny fanapahan-kevitra avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana mahakasika ny zotra nasionaly RN2, noho izy mampifandray faritra maro.
Tatiana A