Mpitondra tenin’ny tanora : voafantina Andriantsimba Hajaniaina Lucas

Anisan’ny tanora men­drika ka voafantina ho isan’ ireo mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany Andriantsimba Hajaniaina Lucas. Nandalo dingana maro ny fifantenana izay nokarakarain’ny OMLMS. Marobe ireo mpifaninana ta­mina firenena marobe maneran-tany ka anisan’ny sangany ny kandida avy amin’ny Tily eto Madagasikara. Tanora an-jatony, araka izany, ireo nifanintsana sy nanolotra ny fila­tsahany ary ireo tena mendrika no voafantina.
Tsiahivina fa nisy ny antso natao tamin’ny Tily rehetra ny volana oktobra teo ho an’ireo naniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana ho mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany na “Youth Represen­tative”. Ireo notsongaina manokana ireo no hisolo tena sy hitondra tenin’ny tanora skoto manerana izao tontolo izao any amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy any amin’ny firenena mikambana man­dritra ny telo taona.

Tatiana A

Partager sur: