Hiditra an-tanety rahalina eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara ilay rivodoza mahery vaika Freddy. Tombanana ho 200 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy ary harahina tafiotra manodidina ny 280 km isan’ora. Handrafitra ny toetry ny andro hatramin’ny rahampitso i Freddy. Omaly tamin’ny 3 ora, tany amin’ny 963 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary no nisy ny foiben’i Freddy. Mikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 35 km isan’ora. Nahazo filazana loza manambana : Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe sy ny distrikan’Anosibe An’ ala. Filazana fanairana miloko maitso : Analamanga, Itasy, Menabe, ny distrikan’i Moramanga, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II. Aorian’ny fidirany an-tanety, hamakivaky ny afovoan-tany i Freddy mandritra ny alina ary tombanana hivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Menabe na Atsimo Andrefana rahampitso tolakandro.
Hiverina ny volon’andro fahavaratra
Hiverina amin’ny volon’ andro fahavaratra ny toetry ny andro manomboka ny alakamisy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hihamaina ny toetry ny andro manomboka ny alakamisy na hisy aza tandrifin-drahona mitsitokotoko. Anio sy rahampitso, hikija ny rotsak’ orana (mihoatra ny 200 mm) manodidina ny faritra hidiran’ i Freddy an-tanety sy ny afovoan-tany (Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary ny tapany atsimon’ny faritra Atsinanana). Ho betsaka ny orana (40 hatramin’ny 70 mm) any Menabe sy Ihorombe. Hiverina ny tandrifin-drahona mitsitokotoko mety arahin-kotroka any amin’ny ilany avaratra sy afovoany andrefana. Ho maina ny andro any amin’ny faritra hafa.
Hisy fidinany ny maripana noho ny fandalovan’i Freddy. Hiverina hiakatra kosa aorian’ izay. 13 – 25°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24 – 37°C ny tolakandro.
Vonjy A.
Noho ny fanatonan’ny rivodoza Freddy, hikorontana ny toetry ny andro eny an-dranomasina amin’ny morontsiraka atsinanana nanomboka anio alina ary hiitatra hatrany amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana anio sy rahampitso. Hahery be ny ranomasina ka mety hihoatra ny 10m ny alon-drano eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara. Mbola hahery koa ny ranomasina amin’ny faritra sisa. Nanan-kery nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy ny fampitandremana. Filazana miloko mena eo anelanelan’ny Cap Masoala sy Cap Sainte Marie. Ho mafy koa ny rivotra mahatratra 100 hatramin’ ny 175 km isan’ora ny tafio-drivotra eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara, 40 hatramin’ny 80 km isan’ora kosa any an-kafa.