Tetikasa JMCT : tanora 33 niofana momba ny BTP

Ankoatra ny fampiarahana ny asa sy ny fianarana (ATE) any an-dakilasy anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy com­pétente au travail” (JMCT), manofana tanora efa niala an-daharana tany am-pianarana ny tetikasa. Fiofanana teknika mandritra ny roa volana ary afaka misehatra amin’ny asa avy hatrany no natolotra. 33 ireo niofana tamin’ny andiany voalohany teo amin’ny lalam-piofanana taotrano sy ny asa vaventy (BTP), teny anivon’ ny Lycée technique génie civil (LTPGCM) Mahamasina. Nandray ny taratasy mari-pahaizana izy ireo, omaly. Tanora 18 ka hatramin’ny 30 taona izy ireo ary natolotry ny fokontany na koa ONG mikarakara tanora. Mahafehy ny fandokoana sy ny fametra­hana “carreaux” ary ny kojakoja samihafa amin’ny toeram-pidiovana ireo mpiofana. “Tanjona ny hahitan’izy ireo asa avy hatrany rehefa vita ny fiofanana satria mafonja ny fampiharana nandritra ny fiofanana”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa JMCT eto Mada­gasikara, Rakotondrajaona Luc.
Hanofana mpianatra 250 hifehy asa ny tetikasa ka hisitraka koa ny tanora any Am­bositra sy Antsiranana ho an’ ny andiany manaraka. Lalam-piofanana voakasika ny BTP sy ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany. Manohana ny JMCT ny AUF sy ny Kana­dia­nina ary ny oniversite kana­dianina Trois Rivières hampiakarana ny fahaiza-manaon’ ny tanora rehefa vita ny fianarany.

Vonjy

Partager sur: