Nanolotra « drones » telo miaraka amin’ny kojakoja samihafa, ordinatera efa misy « logiciel » azo kirakiraina mifanaraka aminy, mitentina 40 000 dolara ho an’ny BNGRC ny Unicef, omaly. Nisolontena ny Unicef ny tomponandraikitra lefitry ny fandaharanasa, Gilles Chevalier. Ilaina amin’ny fanombanana ireo zavatra simba aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ireo fitaovana ireo hanamorana ny fitondrana tohana haingana. Efa mpanampy fitaovana ny BNGRC hatrany ny Unicef fa fanohizana ny tantsoroka izao natao izao.
Vonjy A