Manoloana ny fandalovan’ ny rivodoza Freddy eto Madagasikara, mahatratra 35 ireo teknisianina sy mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Telma, miparitaka manerana ny Nosy. Toy ny eto Antananarivo, Ankazobe, Analavory, Ambatolampy, Ambositra, Belo Tsiribihina, Miandrivazo, Vatomandry, Mahanoro… Mba hitandroana ny mety ho fahatapahan’ny fifandraisana manerana ny Nosy. Manohana tsy tapaka ny vahoaka malagasy sy ireo tomponandraikitra miasa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ny Telma.
Miara-miasa amin’ ny BNGRC
Miara-miasa amin’ny BNGRC (Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza) izy ireo mandritra izany. Anjara andraikitr’izy ireo ny manaparitaka ireo hafatra amin’ny alalan’ny finday. Manatsara ny “fibre optique”, mamatsy ireo tekinolojia vaovao (finday avo lenta, “internet” ary antso).
“Handrindra sy hitantana ny loza ho an’ireo mpisehatra amin’ny lafiny maha olona eto Madagasikara ny tanjon’ny BNGRC”, hoy ny tale jeneraliny, Jly Andriakanja Elack Olivier, raha nantsoina tamin’ny finday. Nilaza izy fa zava-dehibe ny mampifanaraka ny hetsika ataon’ny sehatra tsy miankina amin’ny asan’izy ireo. Nohamafisiny fa hanatsara sy hanamaivana ny voka-dratsy ateraky ny loza amin’ireo tokantrano tsirairay ihany koa.
Marihina fa niara-nandrindra ny asa rehetra teny an-kianja manoloana ny fandalovan’ ny rivodoza halina izy ireo raha ny tatitra voaray. Mampiantrano ireo mpiasa misehatra amin’ny sampana vonjy maika ihany koa ny orinasa.
Mino (mpianatra asa)