Nomarihina tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra ny andron’ny skoto, omaly. Tonga maro ireo skoto nanome ra an-tsitrapo teny amin’ny HJRA. Mariky ny fiombonan’aina amin’ireo olona mila ra ary fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana rahateo no natao.
Nifanojo tamin’ny fahatongavan’ny rivodoza Freddy ihany koa ny andron’ny skoto omaly. Naneho fahavononana amin’ny fifanomezan-tanana ho an’ny vonjy aina ihany koa izy ireo, indrindra tany amin’ ireo faritra hotohoton’ny faharavana. Miaraka amin’ireo mpisehatra toy ny BNGRC sy ny Medair ary ny Unicef izy ireo manatanteraka izany.
Hatramin’ny 100 taona niforonany dia isan’ny voalohany vonona eny an-tsehatra foana ny skoto rehefa misy ny ilan’ny fiarahamonina azy.
Singa lehibe ao anatin’ny fanabeazana skoto ny firotsahana eny anivon’ny fiarahamonina ary tena laharam-pahamehan’ny skotisma. Izany indrindra no efa niomanan’ny skoto tamin’ny alalan’ny fiofanana ho fiatrehana loza voajanahary nokarakaraina tamin’ ny volana novambra 2022, niaraka tamin’ny Bureau Mondial du Scoutisme.
Efa misy koa ireo skoto niofana manokana ho mpirotsaka an-tsitrapo afaka ahetsika anaty hamehana (V-ERT) niaraka tamin’ny Medair. Mbola eo koa ny “Brigade secouriste” izay vao atsangan’ ny Faritany Tily Analamanga Afovoany, ka natolotra tamin’ ny fomba ofisialy omaly nandritra ny lanonana skoto teo amin’ny Parvis Analakely.
Hisy ny lalao ezaka ny 24 sy 25 febroary izao ho an’Analamanga Andrefana. Any amin’ ny faritra Boeny kosa amin’ny zoma dia hisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ao amin’ny FJKM Ziona Famonjena ho an’ireo voataiza ao amin’ny CDEF Boeny.
Tatiana A