Dren Analamanga: miverina manomboka anio ny fampianarana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, foana ny filazana mi­loko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Noho izany, miverina ny fampianarana anio sy rahampitso ho an’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola ka ha­tramin’ny kilasy famaranana. Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ato anatin’ ny Cisco valo (Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano, Ambohidra­trimo, Manjakandriana, Andra­masina ary Ankazobe sy An­jozorobe) mandrafitra ny Dren Analamanga, araka ny filazana maika navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly maraina.

Mitohy koa ny hetsika fanamarihana ny Andron’ny sekoly ho an’ireo ivontoeram-pampianarana nanomana izany tamin’ity herinandro ity.
Afaka manao « ratrapage » mandritra ny fialan-tsasatra

Miditra amin’ny fialan-tsasatra ny mpianatra rehetra manomboka ny alatsinainy 27 febroary ka hatramin’ny zoma 3 marsa ho avy izao, araka ny efa voarindra ao anatin’ny te­tiandrom-pampianarana. Afaka manatanteraka « séance de ra­trapage» ny sekoly ka ny tale no mandrindra izany mandritra ny fiatoan’ny fampianarana. Hi­ditra amin’ny efa-bolana fahefatra ny mpianatra ny 6 marsa ka hatramin’ny 7 avrily ho avy izao. Hosan­tarina ny 8 avrily ka hatramin’ ny 23 avrily ny fialan-tsasatry ny Paka. Mama­rana ny taom-pianarana amin’ ny roa volana fahadimy ny 24 avrily ka ha­tramin’ny 23 jona.
Omaly, nisy ireo mpianatra tsy nahafantatra ny toromarika navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka na­monjy ny sekoly ihany. Nive­rina rehefa nilaza ny tomponandrai­kitra fa tsy mianatra aloha.

Vonjy A.

Partager sur: