Manaja ny tontolo iainana : voalohany eto Madagasikara ny WeLight

Rehefa natao lalina ny fanadiahadiana, dia WeLight no orinasa voalohany eto Madagasikara nomena fanamarinana B-Corp. Fanama­rinana iraisam-pirenena ho an’ny orinasa manaja ny tontolo iainana sy sosialy. Tafi­ditra anatin’ny vondrona orinasa 50 B-Corps aty Afrika izao ny WeLight. Manohy hatrany io orinasa io amin’ izay efa fanamarinana azony izay, mitandro ny tontolo iainana, mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena.
Nahazo isa 148,5 ny WeLight Madagascar, mihoatra lavitra amin’ny salanisa 96 azon’ireo orinasa hafa. Misy akony betsaka ny ataony, manaporofo ny asany amin’ny fahazoana herinaratra azo antoka, ma­mokatra sy madio ho an’ny mponina any ambanivohitra. Manampy amin’ny fampandrosoana maharitra ny toekarena.
“Voninahitra ho anay WeLight ny tafiditra anatin’ny vondrona B-Corps aty Afrika, sy voafidy voalohany eto Madagasikara. Manambara ny lanjan’ny orinasa sy tombontsoa ho an’ny rehetra”, hoy i Romain de Villeneuve, tale jeneralin’ny WeLight Madagascar.
B-Corp dia mariky ny fa­nomezana tokana nozahana ny zava-bita amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana : fitantanana sy fiaraha-miasa. Tany Etazonia izy io no nisy voalohany tamin’ny 2006, natao ho fantatry ny orinasa rehetra.

Ndrina

Partager sur: