Minisitra Ramonjavelo Valéry : harenina ny fitaterana

Vita, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra teo aloha, nisahana ny Fitaterana sy ny famanta­rana ny toetr’andro (MTM), Ranjatoelina Rolland, sy ny mpandimby azy, Ramonja­velo Valéry. Nohamafisin’ity farany fa ho jereny akaiky ireo seha-pitaterana manan-danja rehetra, mifanaraka amin’ny vinan’ ny filoham-pirenena.
Isan’izany ny fitaovana entina hanatsarana ny foibe famantarana ny toetr’andro. Mikasika ny fitaterana ana habakabaka, efa natomboka ary tohizan’ny minisitra Ra­monjavelo Valéry ny tetikasa ASSR (Aire de service, de sécurité et de repos). Eo koa ny fampivoarana ny Madagas­car Airlines.

Lalamby ankapobeny

Ho an’ny lalamby, hoje­rena manokana ny zotra Fia­narantsoa-Manakara (FCE) sy ny fitaterana an-dalamby an­kapobeny. Isan’izany ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain), miampy ny fitaterana mihantona « tele­ferika », napetraky ny filoha.
Nomarihin’ny minisitra vaovao, fa « vonona hiasa eny ifotony aho. Mila hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera hafa mifampiankina amin’ny MTM ».
Ho an’ny minisitra teo aloha, Ranjatoelina Rolland, tanjony amin’ny maha filohan’ ny filankevim-pitantanan’ny Asecna azy ny hamerina ity sampandraharaha iraisam- pirenena ity ho orinasa afrikanina satria mpiara-miombon’antoka afrikanina no miahy azy fa tsy an’i Frantsa.

Njaka A.

Partager sur: