Mavesatra ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Freddy, namoizana aina rahateo, tany Mahanoro sy Ambalavao. Maro ny trano tsy nisy tafo intsony…
Omaly maraina, efatra ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Iray nandeha lakana ka lasan’ ny rano tany Mahanoro, fokontany Ampapanambo, ny talata hariva, ny telo kosa maty nianjeran’ny trano ary fianakaviana iray izy ireo, monina ao amin’ny fokontany Ankofika, distrikan’Ambalavao. Nisy zazakely tamin’izy ireo. Omaly maraina no nisehoan’ny fahavoazana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly, Andriankaja Elack Olivier. Faritra enina no nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’i Freddy : Vatovavy Fitovinany, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania.
Hatramin’ny omaly, 16 709 ny traboina (anatin’ny faritra efatra) amin’ny tokantrano 4103 ary 8644 olona nafindra toerana mialoha avy amin’ny tokantrano 1877 ka noraisina teny amin’ny foibe 37 (avy ao Vatovavy sy Fitovinany ny ankamaroany). Samy voakarakara avokoa ny sokajy roa amin’ny sakafo, fidiovana sy fahasalamana. Dimy andro mialoha ny fiavian’ny rivodoza, efa napetraka ny sakafo sy ny fitaovana ilaina handraisana an-tanana hanamorana ny asa eny ifotony. Mahatratra 160 t ny sakafo notsinjaraina amin’ny faritra notombanana handalovan’ny rivodoza : Ikongo, Manakara, Mananjary, Nosy Varika…
Manana traboina betsaka ny faritra Vatovavy, 12 083 avy amin’ny tokantrano 3003. Mahatratra 5359 kosa ireo nafindra toerana avy amin’ny fianakaviana 1021. Momba ny fotodrafitrasa, 2276 ny trano dibo-drano ary 2283 simba amin’ny ampahany. 14 ny trano rava tanteraka.
Voarindra mialoha ny fandraisana an-tanana sy ny fanentanana ny mponina ka tsy sarotra ny asa teny ifotony. Nandray andraikitra daholo rahateo ireo manana anjara tandrify azy avy, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC.
Miombom-po amin’ny traboina ny filoha
Maro ireo mponina niharan’ny rivodoza tany amin’ny faritra, toy ny tao Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro, Ambositra ary Fianarantsoa. Manoloana izany, niantso ny mpiray tanindrazana rehetra ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly, mba hifampitsinjo amin’izao fotoan-tsarotra izao sy mba hivavaka ho an’ny firenena ary mba hieren-doza ireo havantsika rehetra. “Miombona alahelo tanteraka amin’ireo traboina sy namoy havana ny tenako”, hoy izy. Mankahery ny mponina amin’ireo tanàna mety mbola holalovan’ity rivodoza ity ihany koa izy. “Aoka mba ho mailo hatrany sy hanaraka ny toromarika omen’ireo tomponandraikitra ny vahoaka malagasy mba hisorohana ny loza”, hoy hatrany izy.
Vonjy A. sy Mino
(mpianatra asa)