22 febroary. Ahatsiarovana ny andron’ny fieritreretana sy andron’ny mpanorina ny skotisma maneran-tany. Fantatra amin’ny anarana hoe: “Baden Powel”. Natao teny Analakely izany, omaly maraina. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. Satria namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo vondron’ny mpamonjy voina eto Analamanga afovoany. Miisa 120 mianadahy izy ireo. Mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny “Niofana” nandritra ny 2 andro tao amin’ ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Natao ny alatsinainy sy talata lasa teo izany. Mifototra amin’ny famonjena voina anaty rano, famonjena olona tapaka, fameloman’aina…. ny fiofanana. “Ho matihanina amin’ny sehatra misy azy ny skoto”, hoy ny filoham-paritany Analamanga Afovoany, Ravelomanantsoa Sedera Heninkaja. Tanjona ny hanampy ny fiarahamonina sy ny fanjakana ary ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo sy any amin’ny faritra. Mandray anjara fototra, sy ho lasa mpirotsaka an-tsitrapo matihanina amin’ny fandraisana an-tanana ny traboina sy ny loza mety haterak’izany izy ireo, araka ny fanazavana.
Mampiavaka ny ankizy ao anatin’ny skoto ny fahasahiana. “Miaraka amin’ny Fanahy Masina ny fanaovana izany fa tsy mandeha amin’ny hitsin’ny loha” hoy ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonanan FJKM Ambohijanaka, Zoky Manda. Anisan’ny manentana sy mitarika eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa izy. “Azo lazaina ho mahay manavia manavanana ihany koa izy ireny” hoy hatrany ny fanazavana.
Nokarakarain’ny avy ao amin’ny Tilin’i Madagasikara eto amin’ny faritra Analamanga Afovoany ny hetsika. Nanasana ny avy ao amin’ny firaisan’ny skotisma rehetra eto Madagasikara. Hankalaza ny faha-100 taonany izy ireo amin’ny taona 2024 hoavy izao.
Mino (mpianatra asa)