CUA – Fahasalamana manakaiky vahoaka: nahazo fitsaboana maimaim-poana ny mponina

Fahasalamana manakaiky vahoaka, tolotra maimaim-poana ho an’ny mponin’ Antananarivo. Tonga maro nisitraka izany ny zaza amam-behivavy teny amin’ny firaisana I, fokontany Andranomanalina.

Naharitra 5 andro ny hetsika. Nanomboka ny alatsinainy teo ary mifarana anio. Mahaliana ny olona ny hetsika satria maimaim-poana avokoa ny fanatonana mpitsabo sy ny fanafody omena. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andrian­tsitohaina Naina, omaly.
Efa ela tsy nanatona toeram-pitsaboana ny ankamaroan’ny olona ka nanararaotra ny hetsika toy izao, raha nanaovana fanadihadiana. “Fanina aho, manakotsako daholo ny vatako, marary ihany koa ny tenda ka antony nandehanako aty”, hoy ny renim-pianakaviana iray.
Nitondra ny zanany marary kosa ny renim-pianakaviana sasany. “Mikohaka sy voan’ny sery be izy ka mitady faha­salamana no nandehananay aty”, hoy ny ramatoa iray hafa. Hitsabo ny tosidra miakatra kosa ny hafa.

Tolotra maherin’ny 1000 isa
Nahatratra 1000 mahery ny tolotra mikasika ny fahasalamana hita teny an-toerana. Toy ny fizahana maso, fanaovana vaksiny Covid-19, fitiliana diabeta, fandanjana zaza, fitiliana Vih/Sida, fandrindram-piterahana… Niavaka ny hetsika satria tonga teny an-toerana nandray an-tanana ny olona ireo ekipa ao amin’ny CSB II Isotry. Tao ny fanaovana vaksiny ny zaza, ny fisafoana ho an’ny vehivavy bevohoka, ny fanomezana torohevitra ara-pahasalamana ho an’ny zaza sy ny olona efa nahazo taona. Nisy ihany koa ny fizarana vitamine A. “Mety be ary manampy ny vahoaka sahirana ny hetsika maimaim-poana toy izao”, hoy ireo olona nanontaniana. Maniry ny hitohizan’ny tolotra hatrany izy ireo. “Hisitraka ny tolotra fahasalamana maimaim-poana manaraka indray ny ao amin’ny fokontany Andavamamba”, hoy ny tale misahana ny fahasalamana sy ny sosialy, Dr Rahari­nan­­­drasana Hajatiana. Noha­ma­fisiny fa mahaliana ny mponina ny hetsika ka tsara raha tohizana.
Nikarakara ny tolotra ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Niaraha-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka sy ny orinasa Airtel. Mbola hisy ny hetsika ara-pahasalamana ho fankalazana ny 8 marsa ho avy izao. Hiaraha-miasa amin’ny minisitera hatrany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: