Ho an’ i Toamasina renivohitra, tsy nisy fiantraikany na kely aza ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, nambara fa mafy sy matanjaka. Namoizana ain’ olona iray kosa izany tao amin’ny distrikan’ i Mahanoro sy nitondra ranobe ho an’ny kaominina ambanivohitra mandrafitra azy. Ho an’ i Toamasina manokana, famantarana ataon’ny mponina matetika ny fanaraha-maso ny fipetrak’ireo sambo miantsona ao amin’ny seranan-tsambo. Rehefa fantatra ho mafy sy hiditra eto Toamasina ny rivodoza, misintaka manalavitra ny seranana ireo sambo miantsona rehetra eo amin’ny seranan-tsambo. Nandritra ny fandalovan’i Freddy, tsy nisy na iray aza sambo niala ny fiantsonana teo amin’ny seranana.
Sajo