Toetry ny andro : hiverina ny volonandro fahavaratra

Sisan-drahona nentin’ny rivodoza Freddy nanakaiky an’i La Réunion ka natosiky ny rivotra aty amin’ny mo­ron­tsiraka atsinanan’i Mada­gasikara no miteraka ny orana ao Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Analamanga, omaly. Hisava izany anio ka hiverina ny andro maina.
Nitombo hery ilay rivodoza Freddy ka lasa « tempête tropicale modérée ». Omaly maraina, tany amin’ny 361 km atsimo somary atsimo andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny. 65 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 90 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka mianandrefana izy ka mahafaka 19 km isan’ora. Manohy ny diany manalavitra ny morontsiraka atsimon’ny Nosy izy, noho izany, tsy misy atahorana intsony fa mbola misy rotsak’orana miaraka aminy. Hiverina ho volonandro fahavaratra indray ny hamaritra ny toetry ny andro.
Momba ilay rivodoza Enala, sady malefaka izy no lavitra ny morontsiraka malagasy ka tsy misy ahina ny fanatonany aty, hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro.

Vonjy

Partager sur: