Nitombo ho fito ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Ankoatra ny olona efatra lasan’ny rano sy nianjeran’ny trano tany Mahanoro sy Ambalavao, misy olona telo hafa maty an-drano koa tany amin’ny fokontany Ampasimbola, distrikan’i Nosy Varika sy tany amin’ny fokontany Ambohitsara Atsinanana any Mananjary ary tao Ambavalohabato-Ambohimahasoa. Mahatratra 68 809 ny traboina (avy amin’ny tokantrano 17 218 ) anatin’ny faritra fito: Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Menabe ary Amoron’i Mania, voakasiky ny rivodoza.
13 260 ny isan’ny olona nafindra toerana mialoha avy amin’ny tokantrano 3 079. Ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny ankamaroany. Toeram-pandraisana 33 no nametrahana azy ireo. Voakarakara avokoa ny sakafo sy ny fahasalamana ary ny fidiovana ho an’ny sokajy roa, hoy ny tomponandraikitra. Eo amin’ny fotodrafitrasa, 3 079 ny trano dobo rano, 9 696 ny simba ary 1 206 rava.
Vonjy