Analanjirofo : mbola mitokona ny mpiasan’ny fahasalamana

Tsy asian’ ireo mpiasan’ny fahasalamana mitokona ao Fenoarivo Atsinanana hasina intsony ny solontenam-panjakana notarihin-dRasolomampionona Emmanuel, Préfet Fenoarivo sy ny vondron’olon-kendry ao an-toerana.
Samy niantso ireo solontenan’ny mpiasa mitokona izy ireo mba hiaraka hivory hikarohana vahaolana momba ny fitakian’ izy ireo. Noho ny fikatsoan’ny asam-pahasalamana izay efa ahina hiantraika amin’ny ain’olombelona mila fitsaboana. Samy tsy nisy noraharahain’ireo mpitarika ny fitokonana ny antso natao.
Marihina fa efa ho iray volana izay no nikatso ny asan’ ny fahasalamana ao Fenoarivo Atsinanana noho izy ireo mi­taky ny fialan’ny talem-paritra Analanjirofo, ny dokotera Bath Scheba Benjamina.
Lasa nanao fialan-tsasatra kosa ny dokotera am-perinasa, miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondrana foibe. Nifa­rana ny 15 febroary teo izany ny fotoam-pialan-tsasatra ary mifarana manaraka izany koa ny fitantanana vonjimaika nataon’ny dokotera mpisolo toerana. Nanapa-kevitra ny eo anivon’ny minisitera fa hamerina ny tale izay niala sasatra hanohy ny asany.
Tonga tao an-toerana mihitsy ny iraky ny minisitra manokana, ny dokotera Isaie Jules, tale eo anivon’ny minisitera misahana ny faritra Analanjirofo. Nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenam-panjakana ao Fenoarivo Atsina­nana sy ny vondron’olon-kendry. Ireo hery telo ireo, noho izany, no nampiantso ireo mpitokona mba hikaroka vahaolana fa saingy samy tsy namaly ny antso ireo mpitokona no mbola nandrahona fa hihamafy ny fitokonana.

Sajo

Partager sur: