Fanofanana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana: maro ireo nahatsiaro ho voatohintohina ka miandry ny fampiharana ny lalàna

Dokotera, profesora, mpivarotra fanafody, mpitsabo nentim-paharazana matihanina, olon-tsotra…. Samy nahatsiaro ho voatohintohina tamin’ny resabe momba ilay fampiofanana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana. Samy naneho ny heviny izy ireo ary miandrandra ny fampiharana ny fepetra hentitra manodidina izany.

Nanaitra ny sain’ny maro, indrindra ny dokotera sy ireo mpivarotra fanafody ma­tihanina ny niparitahan’ ny filazana teto amin’ny tambajotra sosialy tamin’ ity herinandro ity, ny momba ny fampihofa­nana mandritra ny 3 vo­lana ka ahafahana mi­tsabo olona.
Naneho ny heviny ny holafitry ny farmasianina momba izany ary nametra-panontaniana hoe: “Iza no nanome alalana ny fisokafan’ny toeram-pianarana toy ireny? Saro­pady ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampia­sana ny karazan-javamaniry ho fitsaboana na atao fanampin-tsakafo ka tsy tokony hatao antsirambina”.
Sarotiny amin’ny fa­naovana dokam-barotra amin’ny haino vaky jery ireo karazana fitsaboana sy fahagagana ihany koa izy ireo.
“Lasa mivaona ny zava-misy amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana satria misy manao izany ho toy ny lalam-barotra toy ny tranga amin’ny resaka tobim-panafody na dépot de médicament”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitry ny holafitry ny farmasianina.
Efa an-taonany maro ny holafitra toy ny dokotera sy ny farmasianina no nanaitra ny fitondram-panjakana momba io loza mitatao io. Maro loatra ireo mitonon-tena ho mpitsabo ary manao dokam-barotra sy mivarotra fanafody tsy manana fahazoan-dalana ara-panjakana.
Tsy tokony hijanona fo­tsiny amin’ny fampahatsiahivana ny fepetra fototra momba ny rohin’ny fahasalamana ny tomponandraikitra fa hampihatra mihitsy ny lalàna sy fepetra momba io sehatra io. Fisandohan’ asa sy fanararaotana ny fahosana sy fahantran’ny mpiara-belona ny ataon’ ireo sokajin’olona sasany.

Hentitra ny dokotera sy profesora

Tetsy andaniny, hentitra ny profesora Rasamindra­kotroka Andry nilaza fa mila mandray fepetra ny tomponandraikitra amin’ ireo sokajin’olona misandoka ho mpampianatra mpitsabo nentim-paharazana kanefa tsy manana traikefa amin’izany akory. Betsaka ny voka-dratsin’ ireny ary lasa vesatra eny amin’ny hopitaly, hoy ha­trany ny profesora. Lasa simba ny voa, ny aty, ny fo, ny tranon-jaza, ny fikorontanan’ny vatana iray ma­nontolo…
Dokotera iray koa no milaza fa manao tsinontsinona ny fianarana nandritra ny 8 taona nataon’ny dokotera ny zavatra toy izany. Famitahana ny tanora izay latsaka lalina ao anatin’ny tsy fisian’asa ka lasa ma­naotao foana.
Mpitsabo nentim-paharazana amin’ny alalan’ny otra ihany koa no nilaza fa mampidina ambany ny lentan’ny asan’izy ireo iny resaka iny. “Miara-miasa amin’ny dokotera ny mpi­tsabo nentim-paharazana ary manana anjara toerana betsaka any ambanivohitra fa tsy tokony hotsiratsi­raina amin’ny alalan’ny fisolokiana sy fanaovana dokam-barotra feno fitaka toy ireny”, hoy izy.
Nanamafy ny Sampan­draharaha misahana ny fivarotam-panafody sy ny laboratoara ary ny fitsa­boana nentim-paharazana (DPLMT), eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka fa ny fitsaboana nentim-paharazana dia nolovaina tamin’ireo razambe teo aloha. Tsy nianarana izany ka tsy tokony hisy fampianarana na fanofanana mikasika izany mihitsy eto Madagasikara.
Miandry ny fampiharana ny lalàna amin’ireo mpisoloky sy mpandemy saim-bahoaka milaza mahavita mampihofana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana, araka izany, ireo mahatsiaro voatohintohina tao anatin’iny vaovao niely teto amin’ny tambajotra sosialy iny.

Tatiana A

Partager sur: