Nosantarina teny amin’ny fokontany Andohan’i Mandroseza, ny alakamisy 23 febroary alina teo, ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano » tanterahin’ny Jirama. Miisa 20 ny jiro « cobra » napetraka tamin’ny elakela-trano, tsy nisy jiro nanazava hatramin’izay. Nanatrika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy.
Nilaza ny filohan’ny fokontany Ambaniavaratra Andohanimandroseza, Randriamandimby Nirina fa “namaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny jiro manazava elakela-trano. Satria mahazo fitarainana foana ny fokontany amin’ny fanendahana, ny vaky trano, ny hala-boty, sns ». Hitohy eny Mandroseza sy Ankatso ary manerana ny Nosy ny fametrahana jiro toy izao.
Tokantrano 100.000
Nambaran’ny minisitra Andriamanampisoa Soloniaina, fa miisa 10.000 ny jiro hapetraka amin’ity taona ity. Hisy ny fifampiresahana amin’ny tompon-trano, ho an’ny lalana tsy misy andrin-jiro, ka ahena 20.000 Ar ny faktioran-jirony isam-bolana.
Ankoatra izany, hotohizana ny «fampidiran-jiro mora » ho an’ny tokantrano miisa 100.000 amin’ity taona ity amin’ny sarany 30.000 Ar. Eo koa ny fizarana jiro mandeha amin’ny masoandro (kit solaires) miisa 1.000.000 manerana ny Nosy.
Njaka A.