Vaovao lehibe no nambaran’ny filohan’ny UAJ (Union africaine de judo), Randrianasoloniaiko Siteny, omaly. Mankalaza ny faha-60 taonany amin’ity taona ity ny Judo Afrika ka hetsika sy fifaninanana no hoentina hanamarihana izany. Eto Madagasikara ny fanokafana ny fankalazana amin’ny volana jolay ho avy izao ka homarihina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, juniors sy cadets, izany.
Amin’io fotoana io ihany koa no hanaovana ny “Test Event” hijerena ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Mbola hisy ihany koa anefa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara mialoha izany, hangalana ireo Judokas malagasy handrafitra ny ekipa nasionaly hiatrika ny lalaon’ ny Nosy. Ankoatra izay, nanambara ny filohan’ny UAJ no sady filohan’ny Komity olympika Malagasy (KOM) fa raha vita ny “dopage” dia lalao voalohany ho ankatoavin’ny Komity Olympika iraisam-pirenena ity andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara ity.
Mi.Raz