Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalana mandroso ny fifaninanana “Copa Del Rei” any Espaina. Hihaona amin’ny Barcelone Fc ny Real Madrid Fc. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Santiago bernabeu. Hanala vela amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny Real Madrid. Tsiahivina fa resin’ny Barça tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Real, nandritra ny lalao famaranana ny “Super coupe d’Espagne”. Lalao natao ny 15 janoary lasa teo, tany Arabia saodita. Adin’ny mpanazatra ny fihaonan’ny roa tonta, i Xavi ny an’ny Barcelone ary i Ancelotti ny an’ny Real Madrid. Marihina fa samy manana mpilalao sangany ny roa tonta, anisan’izany ry Benzema, Vinicius Jr ho an’ny Real Madrid raha toa ka ry Pedri sy Busquet ho an’ny Barcelone. Eo amin’ny laharana voalohany ny Barcelone amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espaina na Liga, manana isa 59, raha toa ka faharoa ny Real Madrid, manana isa 52.
Amin’ny 5 aprily ho avy izao ny hanaovana ny lalao manasa-dalana miverina amin’ity fifaninanana ity. Fihaonana atao ao amin’ny kianjan’ny Camp Nou, Barcelone.
Fitia (Mpianatra asa)