Nangata-panazavana amin’ny maha ara-dalàna na tsia ireo dingana nandravana ilay fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny volana desambra teo ny HCDDED. Maromaro ny fanontaniana anaty taratasy ampolony pejy nalefa eny amin’ny HCC. “Mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ve ireo dingana samihafa tamin’izany. Inona ny vokatr’izany eny anivon’ny Antenimierampirenena”, araka ny voasoratra, ary nohamafisin’ny filohan’ny HCDDE, Navony Pierre Lenoble.
Na izany aza, mitovitovy amin’ny fitakiana fanazavana efa nataon’ izy ireo, niaraka amin’ny depiote tamin’ny taon-dasa ihany ity antontan-taratasy faharoa ity.
Antony, nahatonga ny HCDDED hanontany ny HCC izany ny amin’ny maha mbola mampitombina ny fahamarinan-toeran’io Andrimpanjakana io, taorian’ireny hetsika fanangonan-tsonia nataon’ny depiote ireny. Nohitsiny anefa fa tsy mifototra amin’ny fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany ny fitoriana napetrak’izy ireo. “Zava-doza raha miroso amin’izany isika amin’izao fotoana izao”, hoy ihany ny HCDDED.
Tsy ho ela ny valiny…
Efa nolavin’ny eo anivon’ ny birao maharitry ny Antenimiera ilay fitsipaham-pitokisana ka nahatonga indray izao fanontanian’ny avy eny Soanierana, tonga eny Ambohidahy izao.
Etsy andaniny, nisy fitoriana hafa amin’ireo depiote miisa 23 ihany koa nalefa eny amin’ny HCC.
Nilaza ho tsy afaka mamoaka ny votoatin’izany taratasy fitoriana izany ireo mpitsara avo noho ny fihazonana ny tsiambaratelo. “Mbola handinika izany amin’ny antsipiriany izahay”, hoy ny HCC. Nampanantena anefa izy ireo fa tsy ho ela ny valin’ izany fangataham-panazavana sy ny fitoriana izany.
Ahina mety ho tonga amin’ ny fikasana hampiato ny filohan’ny Repoblika ny votoatin’ ilay fitoriana. Voatondro ho anisan’ny tao ambadiky ny fisakanana sy nitady ny fomba rehetra tsy ahatanteraka ny
fitsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena. Anisan’ny dingana iray ahafahan’ireo solombavambahoaka mampiato ny filoha amin’ny asany ny fandikana ny Lalàmpanorenena miverimberina, raha tena voaporofo tokoa izany.
Synèse R.




