Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ ny depioten’ i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN) ary ny minisiteran’ ny Mponina, nisitraka “rations de protéction” ny fianakaviana marefo avy amin’ ny tokantrano 506. Ahitana zaza latsaky ny 5 taona sy vehivavy bevohoka ary vehivavy mampinono samy tsy ampy sakafo tamin’ity herinandro ity. Nahazo tombontsoa tamin’ izany ireo fianakaviana ao amin’ny kaominina Ihorombe, distrikan’ i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana (misy ny fokontany Lohavala, Mahabo, Vohibolo, Vohiposa, ary Beretry). Samy notolorana vary 25 kg, tsaramaso 5 kg, menaka 1litatra ny isan- tokatrano avy.
Tafiditra ao anatin’ ny fanampiana ny mpiara- belona sy ny ady amin’ ny tsy fanjarian- tsakafo amin’ ny faritra Atsimo Atsinanana, indrindra ao amin’ ny distrikan’ i Farafangana ny hetsika, araka ny fanazavan’ ny depiote voafidy tao an-toerana. Tsy hijanona fa hitohy ny fanohanana ny fianakaviana marefo tahaka izao fa santatra ihany no natao tamin’ ireo fokontany dimy ao amin’ ny kaominina Ihorombe.
Vonjy A.