Teny amin’ny Bord de la mer no nanomezan’ny caravane médicale “Sarobidy ny Aiko” tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana sy marolafy ny mponin’i Mahajanga sy ny manodidina, omaly. Nitondra zava-baovao ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, toy ny tolotra fitarafana amin’ny scanner, ny fandidiana (vasectomie), ny fanamafisana ny fisorohana ary ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Voahosotra ho mpiaro ny zon’ny ankizy amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Tania Jeannie Lemainty. Noho ny traikefa norantoviny tao amin’ny Civilian Madagasikara, Move Up Madagascar, Fehikanto, ary Alliance Aika, manana ny enti-manana hitondra sy hiaro ny feon’ny ankizy sy ny tanora malagasy amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izy. “Youth Climate Advocate” vaovao ny Unicef Madagasikara izy.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny mpiofana manokana andiany voalohany « Diabe » momba ny fandraisana an-tanana ny toe-tena diabetika avy ao amin’ ny fakiolten’ny Fianarana ho mpitsabo ao Mahajanga. 58 izy ireo ary niofana nandritra ny herintaona.
Mitohy hatrany ny asa eo anivon’ny Apipa na efa lasa aza ilay rotsakorana nifanesy teto an-dRenivohitra. Manamafy ny fiomanana amin’ny alalan’ny fanadiovana ireo lakandrano amin’ny toerana maromaro ireo mpiasa. Nanomboka ny herinandro teo, nanala ireo tsikafona teny Masay sy nanadio lakandrano ny ekipa. Nampiasa fitaovana arifomba izy ireo nandritra izany.




