Hotanterahina rahampitso ny andro voalohany ho an’ ireo vondrona hafa amin’ny fifaninanana XXL Top 20. Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ny Uscar sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka.
Miandry ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny rehetra. Naka mpilalao kalaza maro ny ekipan’ny CUA. Anisan’ izany i Matfield, mpilalaon’ny FTM Manjakaray fahiny. Vonona ny haka ny fandresena ny Uscar. Hiezaka hanohitra azy ireo kosa ny 3FAI.
Hamarana ny lalao amin’ ny andro rahampitso ny fihaonan’ny TFA Anatihazo sy TFMA Ankasina. Ho toy ny lalao famaranana ny fihaonan’ny roa tonta eny amin’ny kianjan’ny Makis ihany. Marihina fa ny TFMA na boay kely manohitra no efa nandresy ny ekipa vaventy. Anisan’izany ny Cosfa sy ny FTM.
Fitia (Mpianatra asa)
Ny fandaharan-dalao rahampitso
Kianja Maki Andohatapenaka
9 ora : Uscar vs 3FAI
11 ora : STM vs XV Avenir
1 ora : UASC vs Mang’art
3 ora : TFA vs TFMA