Sekolim-panjakana: tsy maintsy manaja fitsipika ny mpianatra

Namoaka tenimita ho fampahatsiahivana ny fitsipika aman-dalàna mifehy ny toeram-pianarana ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena. Nanasonia izany ny sekretera jenera­lin’ny minisitera, Atoa Rabenandrasana Théophil. «Tsy maintsy antitranterin’ny talen-tsekoly amin’ny mpianatra ny fanajana ny fitsipika mifehy ny sekoly mandritra ny fananganan-tsaina amin’ny alatsinainy izao. Ny tsy fanajana ireo fepetra dia mitarika fanasaziana izay mifanaraka amin’izany.”, araka ny baikon’ny minisitera.
Natao ho fanatanterahana avy hatrany ny hanajana ny didy aman-dalàna eny ifotony ny tenimita nataon’ny fanjakana. Araka ny andininy faha-106 amin’ny lalàna laharana 2022-018 nivoaka ny 30 janoary 2023. Mamaritra ny sori-dalàna ankapobeny ny rafi-panabeazana eto Madaga­si­kara izay milaza fa adidin’ ny mpianatra ny fanatrehana sy fanatontosana ireo asa mifandraika amin’ny fianarany.

Ankizy mendrika
Eo koa ny fanajana ireo fitsipi-pifehezana sy ny fi­a­inam-piarahamonina ao amin’ny toeram-pianarana. Ny andininy faha-19 amin’ io lalàna io ihany izay mametraka ny tanjon’ny rafi-panabeazana hampianatra ny ankizy ho afaka mitondra ny fiainany ara-piarahamonina sy araka asa ao anatin’ny fahamendrehana.
Ny tenimita laharana faha-10538-96/MEN/SG/DES nivoaka ny 29 aogositra 1996 izay namaritra ny fitsipika anatiny eny amin’ny lisea sy ny sekoly ambaratonga faharoa eo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny Fa­na­beazam-pirenena, indrindra ny amin’ny fanajana ny fananganan-tsaina.
Ny tenimita laharana 2017-057/MEN nivoaka ny 7 febroary 2017 izay ma­ma­ritra ny fitsipi-pifehezana anatiny iombonan’ny se­ko­lim-panjakana ambaratonga voalohany eto Ma­da­gasikara. Ampahatsiahivina ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra fa manomboka eo amin’ny fisoratana anarana ny fanajana ny fitsipika rehetra mifehy ny sekoly.
Noho izany, ny ray aman-dreny mampiditra ny zanany dia tsy maintsy manao sonia fa hanaja ny fitsipi-pifehezana voarakitra ao anatin’ny karinem-pifandraisana.

Tatiana A

Partager sur: