Volley-CAVBZone 7 : raraka tamin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy

Taorian’ny faharesen’ny ekipan’ny GNVB lehilahy sy ny Stef’Auto, teo amin’ny ampahefa-dalana, resy koa ny GNVB vehivavy, teo amin’ny manasa-dalana. Fi­fa­ninanana hiadiana ny am­boaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley-ball. Niondrika nanoloana ny Anse Royale Seychelles, ny ekipa malagasy GNVB. Seta 3 no ho 2 no nisarahan’ ny roa tonta. Nifarana tamin’ ny “tie break” (25-27/25-22/22-25/25-15/13-15).

Azo lazaina ho efa tsara ny vokatra, araka ny nambaran’ny mpanazatra azy ireo. «Rehefa tafiditra anaty ekipa 5 voalohany dia ampy, amin’ny maha fandraisana anjara voalohany ho an’ny GNVB vehivavy», hoy izy.
Tapitra hatreo ny lalana ho an’ny solontena malagasy. Mbola hiady laharana fahatelo ny GNVB vehivavy. Mbola miandry ny lalao fiadian-toerana koa ny ekipan’ny GNVB lehilahy sy ny Stef’Auto.

Ratsy ny vokatra raha oharina tamin’ny CAVB ZONE 7 farany. Milaza fa vonona hanarina ny lesoka ny ekipa malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: