Indray mijery

Tanterahina any amin’ny faritra Androy ny tetikasa Mianatra. Ankizy anarivony no misitraka sakafo an-tsekoly mitondra otrikaina. Sekoly 18 any an-toerana no hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa McGovern-Dole International Food for education and Child Nutrition izany. Tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fambolena ara-bola. Ao anatin’ny 5 taona manaraka, fatran-tsakafo mitondra otrikaina maherin’ny 64.000 isa no hotsinjaraina ho an’ny mpianatra madinika miparitaka amina sekoly 130.

Fotoana mampirongatra ny aretina tazomoka ny andro mafana sy mando. Midina ifotony manao fanentanana ireo mponina any amin’ireo distrika mbola ahitana ny firongatry ny tazomoka ireo tomponandraikitra. Anisan’izany ny any Farafangana. Misy ny fitiliana faobe tanterahina eny anivon’ny fiarahamonina. Tanjona ny hahafahana manome fanafody mivantana sy maimaim-poana ireo voan’ny aretina tazomoka mba tsy hamindra. Tapahina avy hatrany ny fiparitahan’ny parazita amin’ireo voakaikitry ny moka mitondra tazo ka hanafoanana tanteraka ny tazo ao amin’ny toerana hanatanterahana izany.

Partager sur: