Tapaka nandritra ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, hifarana amin’ny 23 septambra ny asan’izy ireo. Fivoriambe voalohany sady farany amin’ity taona ity.
Notanterahina ny sabotsy 4 marsa 2023 lasa teo ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF). Ny 23 septambra ho avy izao, hamarana ny asany ny FMF. Hevitra tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny FMF tany Mantasoa. “Hovitaina amin’ity taona 2023 ity avokoa ny fifidianana rehetra, anisan’izany ny “section” sy ny ligy”, hoy Andrianony Victorien, filohan’ny FMF.
Maro ireo olona tonga nanatrika ny fivoriana. Anisan’izany ny filohan’ ny ligy 22, mandrafitra ny FMF. Misy solontena iray avy amin’ny Kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), ny filoha sy ny tomponandraikitra lefitra ao amin’ny Cosafa ary solontena roa avy amin’ ny Federasiona eran-tanin’ ny baolina kitra na Fifa. Nahafa-po ny Fifa ny fitantanan’ny FMF, heverina fa hiverina hahazo fanampiana na “subvention”, amin’ ny resa-bola ny baolina kitra malagasy.
Marihina fa nitsangana nandritra ny fivoriana ny komity mpanantanteraka ny fifidianana eo anivon’ny FMF sy ny CENI. Miisa dimy ireo olona mandrafitra ny komitim-pifidianana. Tsiahivina fa sambany vao nanatrika ny fivoriamben’ ny FMF ny Fifa.
Nahazo fankatoavana 100% ny FMF
Nahafa-po an’ireo filohan’ny ligy 22 nanatrika ny fivoriana ny fitantanan’ny FMF. Nahazo ny “quitus” 100 % tamin’ireo filohan’ ny ligy ny komity mpitantana ny Federasiona. Nankatoavin’ireo filohan’ny ligy avokoa ny resaka tatitra ara-moraly, teknika ary indrindra ny fitantanam-bola. Nohamafisin’ny filohan’ny FMF, miezaka mamerina ny lamina ara-bola tsikelikely ny FMF.
Fitia (Mpianatra asa)