Ranomasimbe indianina : fahalalana kokoa ny trozona misy vozona

Manomana ny hetsika «Humpback Whale Con­gress» (HWWC), andiany fahatelo any amin’ny Re­poblika Do­minicaine, ankehitriny, ny fi­kambanana Céta­mada Mada­gasikara, tarihin’ny Dr. Sa­loma Anjara. Loha­hevitra noraisina ny hoe «Toekarena manga ho an’ny fampandrosoana maharitra». Niforona ny taona 2015 teto Madaga­sikara ny fikambanana tany amin’ny Nosy Sainte Marie, nandritra ny hetsika manokana ho an’ny trozona misy vozona, «Festival des baleines».
Natao ny 1 marsa 2023 teo tany amin’ny onivesite mahaleo tena Saint Domingue (UASD) ny kongresy ankatoavin’ny Fandaharanasa ho an’ny Firenena Mikambana ho an’ny siansa amin’ny ranomasina ato anatin’ny 10 taona (UN Ocean Decade).
Nilaza ny mpitarika ny fikambanana Cétamada, Fran­çois Xavier Mayer, nandritra ity fotoan-dehibe ity, fa ilaina ny fahalalana maro momba ny trozona misy vozona. Anisan’ ny zava-dehibe ny fisian’ny ady amin’ny fiakaran’ny maripana, satria mampihena ny fatran’ny diokdisa karbona amin’ny habakabaka.
Tanjon’ity kongresy ity ny handravonana ny mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina, ny fikarohana siantifika maneran-tany.
Niforona ny taona 2009 ny fikambanana Cétamada, ma­nana ny foibeny any Sainte Marie. MIsahetra amin’ny fiarovana ny biby anaty ranomasina sy ny toeram-ponenany. Nomen’ny minisiteran’ny Fizahantany alalana.

Njaka A .

Partager sur: