Volley-CAVBZone 7: hanatsara ny fiomanana ny GNVB

Nifarana, omaly, ny fiadiana ny amboaran’i Afri­ka, ho an’ny klioba tompondakan’ny Faritra faha-7, taranja Volley ball. Ha­na­tsara ny fiomanana ny ekipan’ny GNVB, araka ny nambaran’ny mpanazatrany, Razafinjatovo Jean Ho­noré. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny GNVB vehivavy ary raraka teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny GNVB lehilahy. Toy izao ny resaka nifanaovana tamin’ny mpanazatra Raza­fin­jatovo Jean Honoré.

Gazety Taratra: Vita iny ny CAVBZone 7, ireny ny vokatra, inona ny azo ambara?
-Razafinjatovo Jean Honoré: “Tsy nampoizina ny vokatra ho an’ny GNVB lehilahy. Nieritreritra hanala vela amin’ny Tampon Gecko Volley Ball Sportif La Réunion kanefa resy teo amin’ny ampahefa-dalana. Mendrika kosa ny zava-bitan’ny GNVB vehivavy, izay laharana fahefatra.
Sambany ny nandray anjara ny GNVB vehivavy tamin’ity andiany fa­ha-7 ity, ahoana ny fa­h­i­­t­anao ny zava-bitany?

“Equipe révélation” ny GNVB vehivavy tamin’ity ary tena ekipa tsy nampoizin’ny mpifanandrina rehetra. Isaorana izy ireo fa tena nanatontona ny fahaiza-manaony rehetra ary mendrika ny teknika nasehon’ny tsirairay.
-Inona ny lesoka?Inona kosa ny mila ampiana?
*Fampitandremana ho antsika ireny faharesena teo amin’ny ampahefa-da­l­a­na sy mansa-dalana ireny. Ny fifandraisana teo amin’ ny “service” sy ny “con­tre” no tena olana ho an’ny GNVB. Hohatsaraina ny fiomanana ary izao dia efa hijery akaiky izany mba tsy hiverenan’ny toy izao.

Ahoana ny fahitanao ny fifaninanana tamin’ity andiany faha-27 ity?
Tsy nitovy ny tamin’ny andiany farany ny fifaninanana CAVBZone 7 tamin’ ity. Tena niakatra be ny lentan’ny mpilalao sy haavo teknikan’ny fifaninanana.

Nangonon’i Mi.Raz

Partager sur: