Mafy ny takaitran’ny rivodoza Freddy na tsy niditra an-tanety aza izy fa nanakaiky ny sisin-tany tany atsimon’ny Nosy. Mbola hitohy hatramin’ny zoma izao ny orambe ka mila mailo hatrany, indrindra ireo amin’ny faritra iva sy ny avo.
Niakatra ho olona 4 ny namoy ny ainy vokatry ny orambe sy ny tafiotra nentin’ny rivodoza Freddy. Zaza ny roa ary vehivavy ny roa ambiny amin’ izy ireo, ny iray lasan’ny rano raha nianjeran’ny trano kosa ilay faharoa, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza, omaly, teny Andrainarivo. Olona 150281 avy amin’ ny tokantrano 3622 traboina. 3 164 ny olona nafindra toerana avy amin’ny tokantrano 738 eny amin’ny toeram-pandraisana 8 ao Toliara. 2 695 ny trano dobo rano, 618 rava tanteraka. Faritra roa Atsimo Andrefana sy Menabe no tena voakasiky ny rivodoza Freddy hatramin’ izao. Distrika maromaro ao Toliara I sy II no tena nitondra faisana miampy ny distrikan’i Manja, eo koa ny ao Morondava.
Mitoka-monina ny mponina ao Manja
Misy tanàna tena mitoka-monina voahodidina rano ao amin’ny distrikan’i Manja. Ahina, araka izany, ny valanaretina sy ny tsy fahampian’ny sakafo raha tsy niomana mialoha ireo tokantrano. Mbola hitohy ao anatin’ny andro maromaro hatramin’ ny zoma izao mantsy ny rotsakorana entin’i Freddy, hoy ihany ity tomponandraikitra ity. Noho ny toetry ny andro mbola manorana sy mandrivotra be, tsy azo atao ny mamindra toerana ireo olona ireo amin’ny sambo haingam-pandeha na ny angidimby. Raha vao tony ny andro, azo irosoana izany. Manana angidimby mahazaka lanja 4t ny fanjakana ka ny BNGRC no mandrindra ny fampiasana azy ao anatin’ ny hamehana toy izao.
Vaky ny rindrin’ny fonja’i Toliara
Noho ny rotsakorana be, vaky ny rindrin’ny fonjan’i Toliara ao an-tampon-tanàna ka efa nandray andraikitra ny force de defense de la sécurité nametraka fepetra amin’ny fiandrasana ny voafonja tsy hiteraka olana hafa indray. Namboarina vonjimaika koa ny manda rava nanomboka omaly maraina ihany fa vahaolana tsy maharitra no nataon’ny BNGRC aloha.
Araka ny tomban’ny toetry ny andro, hitohy hatramin’ny zoma ny rotsakorana amin’ny faritra maro ary tafiditra ao Analamanga. Mamerina ny fanentanana ny mponina amin’ny faritra iva sy ny faritra avo ahina hihotsaka ny BNGRC handray fanapahan-kevitra hanavotana ny aina.
Arahi-maso tsy tapaka nanomboka ny alahady alina lasa teo koa ny fefilohan’ny reniranon’i Fiherenana ary nesorina avokoa ny mponina teny amin’ny faritra manakaiky ny fefiloha. Efa nidina ny haavon’ny renirano fa ahina ny hiakatra raha mitohy ny orana.
Maro ny lalana tapaka
Betsaka ny lalana tapaka toy ny ao amin’ny RN 35, ao amin’ny kaominina Ivato Centre mampitohy ny distrikan’i Manandriana amin’Ambatofinandrahana sy Malaimbandy.
Eo koa ny RN17, mampitohy an’i Bezaha sy Belamoty (ao amin’ny distrikan’i Betioky). Tapaka koa ny lalana mampitohy an’i Bezaha hatrany Benenitra, noho ny fiakaran’ny rano. Misy fahatapahana ny lalana avy ao Morombe mandeha Toliara ao amin’ny fokontany Belitsaky. Miezaka mamerina ny lalana ho azo hifamezivezena ao anatin’ny fotoana fohy ny teknisianin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ahafahan’ny kamiao mitondra ny tohana ho an’ny traboina miasa.
Vonjy A.