Asa vonjy voina ao Marovoay : hanohanana ireo traboina taorian’ny rivodoza Cheneso

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, tokantrano maherin’ny 4 200 no traboina tao amin’ny distrikan’i Ma­rovoay. Rehefa nanome toromarika ny BNGRC, natomboky ny Fonds d’intervention pour le développement (FID) ny «Asa vonjy voina». Ha­nam­piana ny mponina any an-toerana hiarina haingana ary hiverina amin’ny fiainana andavanandro no tanjona. Teo ny asa fanarenana sy fanadiovana ireo lalan-tany, lalankely, tatatra sy lakandrano ary tohodrano. Asa fanarenana enina no hatao anatin’ny fokontany fito ao amin’ny kaominina Anosinalainolona, Banlieue ary Tsararano.

Manome asa vonjimaika ireo vondrom-piarahamonina traboina sady manampy amin’ ny famerenana haingana ireo fotodrafitrasa simba ho azo ampiasaina indray ny “Asa vonjy voina”.
“Dibo-drano ny tranonay, nivonto ny tongotra dia tsy afaka nanangona ny entako aho ka nisy lasan’ny rano. Isaorana ny Asa vonjy voina satria afaka hividy fitaovana hafa indray aho ary misy hampiasaina amin’ny fandaniana ho avy”, hoy ny mpo­nina iray mpisitraka ao amin’ ny fokontany Ambohimena, Tom­bo Rasoazafy.
Fandaharanasa mamaly ireo karazana tranga vokatry ny hamehana toy ny rivodoza, aorian’ny toromariky ny BNGRC, ny “Asa vonjy voina”. Arindran’ny minisiteran’ny Mponina, ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ny fandaharanasa, ka atomboky ny FID ny asa, ho tombontsoan’ny vondrom-piarahamonina marefo. Ao anatin’ny 20 andro no hanatanterahana ny asa ka 6000Ar isan’andro no tam­biny.

Vonjy A.

Partager sur: