“Ankizivavy mianatra, vehivavy mizaka tena antoky ny fampandrosoana lovain-jafy” no lohahevitra nanamarihana ny Andro ho an’ny zon’ny vehivavy, teto amintsika.
«Manana fahaiza-manao ahafahany mizaka tena ny vehivavy fa mila tohana sy fanohanana hampisehoany izany», hoy ny vadin’ ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, omaly, teny Mahamasina. Tao anatin’ny lahateniny, nanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy. Izay no antony nanafarana ireo fikambanam-behivavy avy amin’ny faritra 22 ho tonga teto Antananarivo, nanaraka fiofanana nahandro sy fambolena, ny herinandro lasa teo. Ao anatin’izao taonjato faha-21 izao, manana andraikitra ny vehivavy eo amin’ny tokantrano hatramin’ny fampandrosoana ny firenena.
Mila beazina, noho izany, ny ankizivavy ho tonga vehivavy mandray andraikitra, araka ny fanamarihan’ny renin’ny Malagasy. Nanao antso ho an’ny vehivavy izy hampianatra ny zanany vavy ho tonga vehivavy mihary mahaleo tena tsy miantehitra amin’ ny lehilahy. Manabe firenena ny manabe zazavavy ary mahasaro-piaro ny filohan’ny fikambanana Fitia.
128 000 ny olona nisitraka tolotra ara-pahasalamana
Nanamafy ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia fa efa maro ny tetikasa fihariana mahazo tantsoroka sy tohana avy amin’ny filoham-pirenena mivady. Ho fanampiana ny vehivavy hizaka tena. Tetikasa miantefa amin’ny tena marefo avokoa ny ankamaroany. Momba ny ady amin’ny herisetra, efa misy ny lalàna manasazy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy ny famolavolana tolo-dalàna hafa hanamafy izany. Nilahatra teny Mahamasina, omaly, ny fikambanam-behivavy 25, nahitana olona 600 avy amin’ ny faritra 23 sy ny minisitera. Nifarana omaly koa ny hetsika fanomezana tolotra ara-pahasalamana “Sarobidy ny aiko” nandritra ny herinandro. Nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty, olona 128 000 no nisitraka fitsaboana sy fitarafana manerana ny distrika maro. Mbola hitohy ity hetsika manakaiky vahoaka ity.
Vonjy A.